17 miliara ariary. Io no tetibola takian’ny CENI hanatontosana ny fifidianana ankoatra ny 40 milara ariary voarakitra ao amin’ny tetibolampanjakana 2018 ary efa nambara tany am-boalohany fa ampy hiatrehana ny fifidianana. Ankilany, tetikady hanemorana fifidianana no andraisan’ny mpandinika io filazana tsy fahampian’ny tetibola io indray.