Eo am-pandaminana ny olana misy amin’ireo syndicat ny mpitsabo mpanampy manao fitokonana ny minisitera tomponandraikitra raha ny fanazavan’ny minisitra androany. Ho fanamafisana ny fiatrehana ny ady atao amin’ny valan’aretina covid-19, fitaovana fitsaboana sy kojakoja medikaly mitentina 250.000 Euros no fanomezana avy amin’ny Governemanta Alemana amin’ny alalan’ny GIZ ho an’ny governemanta Malagasy.