Manahy ny ho fiantraikan’ny firongatry ny valan’aretina Covid-19 indray amin’izao fotoana izao ireo mpisehatra amin’ny fizahantany, taorian’ny fepetra fanakatonana ny sisin-tany amin’i Afrika Atsimo. Niantso ny tokony hampitomboana ny hetsika fanentanana ny rehetra hanao vaksiny ireo mpiseradia mba ahafahana miatrika ny valan’aretina sy ny krizy ara-toekarena aterak’izay. Saika tsy mbola tafarina nohon’ny fatiantoka tamin’ny fikatonan’ny sisin-tany ireny ny ankamaroan’izy ireo amin’izao fotoana izao.