Tsy ahenoana feo ny mikasika ny tohin’ny raharaha momban’ny lalàna mifehy ny serasera eto Madagasikara. Hatreto, miato ny fietsiketsehana saingy mitohy ny fitakian’ny mpanao gazety. Manamafy ny fitakiana ireo eo amin’ny sehatry ny serasera ankoatry ny mpanao gazety. Mitaky ny fanitsiana iny lalàna iny.