Tsy misy fiovana ny fahatsetseman’ny lakan-drano eto Antananarivo amin’izao raha toa ka tsy miala amin’ny fahazaran-dratsy ny rehetra. Androany raha ny hita, tsy manary fako ao anaty daba fanariana fako ny olona fa eny amin’ny lakan-drano. Manao ny fanadiovana hatrany ny tompon’andraikitra saingy ny toerana efa nodiovina ihany no tsy maintsy hiverenana.