Tontosa tany Atsiranana ny fanamarihana ny andron’ny manerantany ho an’ny vehivavy teto Madagasikara, izay notarihin’vadin’ny filoham-pirenena niaraka tamin’ireo fikambanam-behivavy samy hafa. Niavaka ny fanakalazana izany tamin’ity taona ity manoloana ny fisihan’ny valan’aretina covid-19. Manana ny maha izy azy ny vehivavy ary manana ny zo ny hanapaka sy hanao safidy raha ny nambaran’ny vadin’ny filohan’ny Repoblikan’I Madagasikara, Mialy RAJOELINA.