Enim-bolana tsy nandray karama ireo mpiasa ao amin’ny Ivontoerana Famongorana ny Valala any Toliara ary niroso tamin’ny hetsika fitakiana ny zon’izy ireo. Manoloana ity fitokonan’ny mpiasa ity, mirongatra indray ny andiam-balala amin’ny distrika maro ao amin’ny faritra Atsimo Andrefana izay mamotika voly amin’hektara maro.