jeudi 14 novembre 2024
Accueil 2019

Archives annuelles: 2019

Fihotsahan’ny tany : olona 11 namoy ny ainy.

0
11 ireo namoy ny ainy vokatry ny fihotahan'ny tany teny Tsimialonjafy sy Ambohipotsy alina. Nidina nijery ifotony praiminisitra Ntsay Chritian sy mpikambana teo amin'ny governemanta.

Ady amin’ny tsy fandriampahalemana : nanamafy ny fahavononany ny filohampirenena.

0
Nanamafy ny fahavononany hiady amin'ny kolikoly sy ny tsy fandriampahalemana ny filohampirenena Andry RAJOELINA nandritra ny kabary nataony teny Mahamasina omaly. Ny tsy fahitana taratra ny finiavan'ny mitondra hiady ho an'ny filaminam-bahoaka no nampirongatra ny asan-dahalo sy ny fanafihana mitam-piadiana hatrizay.

Fiarahamonim-pirenena AVG : nohavaozina ny mpikambana

0
Nahitana olom-baovao ny mpikambana eo amin'ny Fiarahamonim-pirenena Alliance Voary Gasy izay nanatanteraka fifidianana tamin'ity androany ity. Ankoatra izay, miantso ny fandraisan'andraikitry ny rehetra ny Fiarahamonim-pirenena AVG ami'ny fiarovana ny harem-pirenena.

Filohampirenena Malagasy  : tontosa androany ny fifamindram-pahefana

0
Andro manan-tantara ho an’i Madagasikara. Androany 18 Janoary 2019, tontosa tao anatin’ny filaminana ny fifamindram-pahefana voalohany tamin'ny Filoham-pirenena 2 lanim-bahoaka. Ny filohampirenena teo aloha Hery Rajaonarimampianina sy ny filohampirenena vaovao Andry Rajoelina. Araho an-tsary ary ny famintinana izany.

Lanonam-pianianana : misy Filohampirenena miisa 6 ireo vahiny manan-kaja hanatrika izany

0
Filohampirenena miisa 6 ireo vahiny manan-kaja maherin’ny 30 hanatrika ny fiaianan’ny filohampirenena vaovao Rajoelina Andry rahampitso etsy amin’ny kianjaben’I Mahamasina, araka ny loharanom-baovao voaray avy amin’ny mpikarakara. Voninahitra lehibe ho an’ny firenena Malagasy ny sy vahoaka Malagasy tsy vakivolo izany.

Jour J-1 fianianan’ny filoha vaovao : nisy ny famerenana matso nataon’ireo mpitandro ny filaminana

0
Samy misomebiseby ao anatin'ny fanomanana ny fandraisana ny fianianan'ny filohampirenena vaovao avokoa ireo tomponandraikitra voakasika rehetra tamin'ity andro androany ity. Isan'izany ireo mpitandro ny filaminana izay nanao famerenana matso ho amin'ny rahampitso.

Fandriampahalemana : ho hentitra ny fanaraha-maso eny Mahamasina

0
Ho hentitra ny fanaraha- maso mandritra ireo lanonam-panjakana izay hatao eto andrenivohitra amin'ny faran'ny herinandro izao. Mpitandro ny filaminana hatrany amin’ny 1 300 no hahetsika ato anatin'ny kaominin'Antananarivo renivohitra indrindra ny eny amin'ny manodidina an'i Mahamasina.

Lanonana fianianana : mitombo hatrany ireo vahiny manan-kaja hanatrika izany

0
Manomboka rahampitso vao maraina no higadona eto Madagasikara ireo vahiny manan-kaja sy Filoham-panjakana vahiny hanatrika ny fianianana izay ho hataon’ny Filohampirenena vaovao RAJOELINA Andry etsy Mahamasina amin’ny Sabotsy ho avy izao.

Fanomanana ny lanonam-pianianan’ny Filohampirenena vaovao : mizotra araka ny tokony ho izy

0
Mizotra araka ny tokony ho izy ny fanomanana ny lanonam-pianianan'ny filohampirenena Andry RAJOELINA amin’ny sabotsy ho avy izao. Ankoatry ny eny Mahamasina, ahitana taratra ny fihomanana amin'izay lanonam-panjakana izay ihany koa amin'ireo toeran-kafa eto antananarivo Renivohitra.

Filoham-panjakana vahiny  : niarahaba sy nirary soa ny filoha Andry RAJOELINA

0
Manao tohivakana ny fiarahaban’ny filohampanjakana vahiny maro ny filohampirenena malagasy Andry Rajoelina. Filohampirenena maro sy praiminisitra ary olomanankaja vahiny maro no nanoratra taratasy firariantsoa ary ho avy eto Madagasikara hanatrika ny fianianana ataon’ny filoha vaovao ny sabotsy izao eny Mahamasina. Nanamafy ny fahavononany hiara-hiasa amin’ni Madagasikara amin’ny sehatra rehetra ihany koa izy ireo.